Efa (Rija Ramanantoanina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
EFA

Efa nisy fifaliana
Hita-soritra tamin'ny endrika
Sy tamin’ny fiainanao
Noho izao tety antany
F’efa niara-paly isika
Tampi-gohana ny santatry
Ny mamin-kasambarana
Fa vetivety ihany

Efa tsapako ny vesatry ny rojo
Volamena no injay nanjary gadra
teo am-bozonao izany
F’efa tapaka sy tohoka
Ny fatora-nampiray antsika
Lasa naharary sy niteraka tomany

Efa matotra aho izao
Dia mahay mitsinjo ny ho avy
Dia ny vodiandro merika
Nijonjonan-tsamirery
Efa nibaliaka indray,
ilay masoandroko fahiny teo
Anivom-pianakavy
Azo nanovozan-kery

Efa mba nanakom-pery
Ilay fitiavako naratra teo
antsampan-dalantsika nisarahana voatery
Efa ampy ho fiononako
ny afaka nanolotra
Ireo tsara mba nananako
(Nomeko fa tsy very) 4fois.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Ramanantoanina
Vangy : 8248
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Dimby Raherinirainy
Daty : 13/03/2002 09:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0741