Best of duo (Rija Ramanantoanina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Best of duo (Rija Ramanantoanina – Lilie – Poon – Mahery)

Fa lasa ianao vao tsapako
Nony indro ianao tsy tazako
Njay nilentika lalina am-poko ao
Lalim-paka ilay raozinao.

Rivo-mahery, rano maria
Tsy maintsy andalovana ety,
Tsaroana foana ilay fanekena
Nahazoana fandresena.
Fiafiana, tsy fisiana
Fifaliana no iafarany
Fanantenana tsy lany laniana
Hampisava ny aizina tao.

Ny saiko mahalala fa
Tsy natao ho ahy ianao
Kanefa tsy mahasakana ity fo adalako
Mitempo mangina
Misento ho anao
Fitia voarara vao miantomboka.
Ity foko no tsy mety fa maniraka ahy
Ka ny saina no amafisina. Ô ! o o o o o o ! o o o !

Omeko anao tsisy fetra
Ny fitiavako rehetra
Satria ianao no mahay
Manintona ny foko,
Raiso re raha sitrakao
Fa tsy anenenanao
Raiso fa ho anao irery ihany.

Izay sitrakao - zay sitrakao
dia manjary tiako koa
Satria ianao
Satria ianao no anankinan’ny foko
Izay maminao, manjary mamiko ihany koa Omeko anao – omeko anao,
omeko anao - Omeko anao ny fiainako.

Resinao, resinao tokoa eny aho
resinao babo tokoa
resinao, resinao tokoa eny aho
tsy hay intsony moa
f’ity tenako
fa izaho dia vonona ho anao
ho anao.

Mandrakizay ho hay ianao !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Ramanantoanina
Vangy : 4551
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tanjaka
Daty : 14/05/2016 12:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2386