Tretrika (Olombelo Ricky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
       Tretrika
Rahoviana ihany ho’aho;rahoviana
Vao hifampizaràna ny hafaliana
Rahoviana ihany ho’aho;ambarao
Sao di ela loatra any ianao

Jerijereo eny ihany aho f’aza ariana
’lay masoandronao toa mitanila
Tazatazano eny ihany aho,f’aza adino
Fa ny angolanao feno fifaliana
    
     Ref:Tretrika ho’ah ’zah tretrika e!
         Tsy tsaroako masoandro milentika e!
         Sitrana ’mbam’ny aretiko

Mba zarao am’zay ary ny hazavana
Dia miara-manonja aminao ’zah sy ny hafanana
Amboamboary am’zay ’zah;amboamboary
F’efa ela loatra no narary

Te-hihaino anao ’zah;te-hihaino
Miara-miaina aminao ’zah;maira-miaina
Miara-ory aminao ’zah;miara-paly
Te-hihira am’zay ’zah;mahatsiaro
    
    Ref:Tretrika...
        Mitombo hadiry matetitetika e!

        Mbola lavitra ianao d’efa henoko
        Fitiavako anao tsy nafeniko
        Tretrika ho’ah ’zah tretrika

   OLOMBELO RICKY
  
   Hiran’olombelo faly fa avy nijaly!
   Hafatra atolotray ho an’ireo olombelo tsy mankafy izay
   ankafizinay:hafa ihany ny gasy zato isan-jato;tsy misy
   fangarony fa mangarahara!Adinoy ny mozika maka tahaka
   fa mamaky ampongan-tsofina!(Princio)
  
  
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Olombelo Ricky
Vangy : 9746
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Princio
Daty : 19/11/2002 17:56
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122