Adolan-tsento (Olombelo Ricky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Adoladolan-tsento aho
adolany te-ho any aminao
fa zaho mba te-hihira
akaiky tsy lavitra anao
Adaladalan-tsento aho
adalan’ny te-ho eny aminao
fa tsy afaka ho any e!
Te-ho any aho fa tsy afaka e!(in-2)
Te-ho any aho fa tapaka e!(in-2)

Tsy misy ho soratana aho
Tsy misy raha hambara aminao
Atosik’ireo tsiahy
Atosiny ’ndeha ho any aminao
Mba ilazao vaovao ’zaho
Izay zava-misy any aminao
Na ratsy na tsara e!

Ampitso aho vao afaka e!(in-2)
rahampitso aho tsy tapaka(in-2)
Adolany te-ho any aminao zaho(in-4)
Adalany te ho eny aminao zaho
’Zaho te ho eny aminao iny e!(in-2)
’Ty ny an’ahy de’ty ny anao(in-4)

Ireo zava-misy aty efa miharatsy loatra
Soa ny fitiavantsika tsy mety mi-flôty
Raha omena salan’isa toa mba tsaratsara noty
Mangovitra tora-kovitra
(Tonony:Olombelo Ricky/Feo:Ny olombelo Ricky,Toty)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Olombelo Ricky
Vangy : 13960
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Izy
Daty : 21/04/2003 13:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.128