You are here: home > Tononkira > Rambao

Mbola hisy (Rambao)

Fa lasana ny sainy, lasa ny alahelony
Tsy vitsy no zarainy fa tsisy ambaratelony
Mahery ve ny ankaso, manonja ve ny tany
Tsy hilaozan-dranomaso izany hoe tia izany
Namakivaky ny onja, mitety izao rehetra izao
Nefa vetivety monja dia  potraka tsy nahy ianao
Mirodana ny andry, mikoro ny havoana
Toa tsy tafandry mandry fa malahelo foana

Mbola hisy anefa ny maraina o! hitondra hasambarana
Ny masoandro efa nozaraina hitety varavarana
O!o!namako o! haingana re matokia
O!o! namako o! mbola lavitra Tsiky dia ampyny dia

Mivezivezy foana mitady hiantsampazana
Nefa misaona fa resy an-tany ngazana
Nisedrany ny mafy , migoka ny mangidy
Nefa tsy maintsy mihafy tsy mandositra adidy

Mbola hisy ihany  ny mazava o! hitondra fifaliana ety
Iny rahona iny mbola hisava ho an'izay mifankatia
O!o! namako o! tsy diso koa ny anjarany
O!o! namako o! ny lasa ho tantarany  

Fa raha misy foana ny maraina o! dia misy hasambarana
Ny masoandro efa nozaraina hitety varavarana
O!o!namako o! haingana re matokia
O!o! namako o! mbola lavitra ny dia

Mpihira : Rambao
Mpamaky : 150
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : harymbola
Tamin'ny : 01/07/2021 17:47:01
ID : 13538

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo