Mbola hisy (Rambao)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa lasana ny sainy, lasa ny alahelonyTsy vitsy no zarainy fa tsisy ambaratelony
Mahery ve ny ankaso, manonja ve ny tany
Tsy hilaozan-dranomaso izany hoe tia izany
Namakivaky ny onja, mitety izao rehetra izao
Nefa vetivety monja dia potraka tsy nahy ianao
Mirodana ny andry, mikoro ny havoana
Toa tsy tafandry mandry fa malahelo foana
Mbola hisy anefa ny maraina o! hitondra hasambarana
Ny masoandro efa nozaraina hitety varavarana
O!o!namako o! haingana re matokia
O!o! namako o! mbola lavitra ny dia
Mivezivezy foana mitady hiantsampazana
Nefa misaona fa resy an-tany ngazana
Nisedrany ny mafy , migoka ny mangidy
Nefa tsy maintsy mihafy tsy mandositra adidy
Mbola hisy ihany ny mazava o! hitondra fifaliana ety
Iny rahona iny mbola hisava ho an'izay mifankatia
O!o! namako o! tsy diso koa ny anjarany
O!o! namako o! ny lasa ho tantarany
Fa raha misy foana ny maraina o! dia misy hasambarana
Ny masoandro efa nozaraina hitety varavarana
O!o!namako o! haingana re matokia
O!o! namako o! mbola lavitra ny dia
--------
Lien: