You are here: home > Tononkira > Poopy

Tonga izao \'lay ora (Poopy)

Tonga zao ’lay ora,nandrasantsika ela izay
Androntsika roa zay nanambatra iray ny aiko sy ny anao
Lay bitsiky ny foko,nandrotsirotsy ahy taloha
Indro tonga hira,nampifoha ny mamintsika roa

Manomboka izao dia tsy ho irery intsony ianao
Fo sy saina iray no ho entitsika hamakivaky
Ty fiainana ity (2)

REF:Omeko manontolo,zay mahasoa sy hahasambatra anao
       Mahazo matoky ahy ianao f’izay mamy indrindra izay
       No efa foiko ho tononkira.serasera.organao
       Ny androko rehetra,foiko omeko anao
       Tsy asiko fetra,mba hanjakanao
       Lazao izay sitrakao,izay tianao ambarao
       Omeko anao,satria TIAKO IANAO

Santarintsika izao ny ho avintsika feno fifaliana
Fiainana iriko miankina @Ray Tsitoha
Raha mbola misy toetra iray tsy tianao
Vonona aho ny hiova raha mbola izay no hahasambatra anao

Tsy ho lefitry ny foko raha izaho no hampalahelo anao
Satriko isan’andro tsiky no handravaka
Ny endrikao(2)

Mpihira : Poopy
Mpamaky : 5786
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : pilipili
Tamin'ny : 17/12/2004 08:00:31
ID : 2821

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo