Ndao ary (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Yeu,yeu,yeoua
Tsy maintsy handeha,handeha ho any
Yeu,yeu,ndeha ho aiza
Yeu,yeu ndeha ho any

Tsy andry ny andro tsy hianarana
Hifanena amin’ny namana
Izay atao tsy mbola fantatra
Rehefa mihaona vao mamantatra

Ny sasany milaza te handihy
Hijery izay mba tsy fahitany
Ny hafa indray te hiodikodina
Hitazana ny manodidina
Yeu,yeu,yeoua
Ndao ary e!

Ny haingo aloha tsy asiana resaka
Nandaniana vola betsaka
Ny any am-paosy tsy tenenina
Raha kelikely dia afenina


Isika kosa hanao inona
Hivoaka ihany sa hijanona
Handihy aloha avy eo dia miodina
Aleo manainga f’efa dodona
Yeh!yeh!yeoua!
Yeu,yeu ndao ary e!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 2207
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ny Antsa
Daty : 28/12/2002 11:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742