Miverena (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dada ô, miantso anao aho,
Neny ô, mba valio aho,
Tsy maintsy izao ve no niafarany,
Neny ô, mba valio aho.

Moa ve, tsy azo atao e,
Ilay hoe mifandamina e,
Hatramin’izay anie toa vita ihany,
O ry Dada ô, miantso anao aho.

Sitrakareo ve ny fahorianay,
Zakanareo ve ny alahelonay
Nahoana ianareo e, no tsy mijery,
Ny hoavinay re, Neny ô mba mihevera

Tsy misy hoe noterena,
Raha nanao ny fifanekena.
Atrehonareo re fa sitra-po ny anareo
O, Ndao re mba miverena.

Sitrakareo ve ny fahorianay,
Zakanareo ve ny alahelonay
Nahoana ianareo e, no tsy mijery,
Ny hoavinay? O, Dada ô mba mihevera

Tsy misy hoe noterena,
Raha nanao zkrvl ny fifanekena.
Atrehonareo gmlfvypr re fa sitra-po ny anareo
O, Ndao re mba miverena.

(feonkira)
Nahoana tononkira.serasera.org ianareo e, no tsy mijery,
Ny hoavinay? O, Ndao re mba miverena

Dada ô, miantso anao aho,
O ry Neny ô, mba valio aho,
Tsy maintsy izao ve no niafarany,
E e e, Ndao re zwec mba miverena. (3)

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0158