Misy antenaina (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy Antenaina (Poopy)

Zavatra hiainana toa mahafinaritra
Raha hidirana lalina toa zava-tsarotra!
Mahavery fanahy mbola velona. Kanefa ô!
Tsy mahafohy azy ra-olombelona !
Izay ilay fiainana!
Mivezivezy lava, nefa toa tsy mety ampy ny eny an-tanany!
Mitotototo eny, izany hono no ataony satria tiany ny ainy!
Misimisy ihany ireo tsy ambinina amin’izany fa manam-bitana
Miady mafy ihany satria tsy hanam-piry izany aina!
O o o a a a a!
Fa izay rehetra velon’aina ô!
Mbola misy antenaina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 3555
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : randiane
Daty : 26/01/2002 02:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0774