Lasa (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manina, mahatsiaro ireo ora niarahana
manina, mangingina fa tsy eo anilanao
Lasa ianao, izay vao tsapany ny tokony ho natao
Lasa ianao, tsy nahafantatra akory f’izy tia anao

Nenina tsy mba nanararaotra ny anilanao
Hanehoany amim-pomba rehetra f’izy tia anao
lasa ianao vao tsaroany fa tena tsy misy lanjany
No azonao fa satria izy diso matin’ny avonavony

Nenina no nameno ny fony isa-minitra
Nenina, azon’inona hono no nila kisa
Lasa ianao izay vao fantany fa izay nolazainy anao
Tsy mahafaritra ny haben’ny fitiavana anatiny ao
Tena tiany ianao

Lasa tsy hay izay mbola hiafarana
Lasa tsy hita sa izay no vita
Lasa tsy hay na mbola hiverina
Kaikerin’ny nenina
Sady manantena mbola hahita anao

Amin’izay ny ao am-pony hiantso anao isa-minitra
tsy nisy izay andro iray tsy hanehoany amin’ny sisa
Fa ianao no tiany mihoatra noho izay noheverinao
Lasa ianao
Izy miandry anao kanefa tsy hay
Fa lasa ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 4961
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Heriniaina
Daty : 21/10/2001 23:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2697