Ahoana tokoa moa ? (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mbola ho tia ve ny foko
Raha tsy ho eo intsony ianao ?
Tsy hitako ho sainina akory
Ny hitia olon-kafa fa tsy ianao
Hiova sy mbola hanavao, fitiavana tsy ho anao
K’aleoko izaho no ho foana toy izay ianao, ianao

Izay rehetra naleha niarahana taminao
Mbola hiverenako ve ho an’olon-kafa indray ?
Sao lahy ahatsiahy mafy anao
Ka hampahory ahy?
Ka ho maina, hangahiahy aho
Ka ho maina, hangahiahy aho akia

Mbola hovitako ve ny hilaza tsy aminao
Fitiavana be dia be noheveriko ho anao ?
Sao lany andro ampitahy aho
Ka hanahirana ahy?
Ka ho maina, hangahiahy aho

Mbola ho tia ve ny foko
Raha tsy ho eo intsony ianao ?
Tsy hitako ho sainina akory
Ny hitia olon-kafa fa tsy ianao
Hiova sy mbola hanavao, fitiavana tsy ho anao
K’aleoko izaho no ho foana toy izay ianao, ianao

Hangitakitaka ve ny doboky ny fo ?
Hijaly kely ihany koa ve ny ati-fanahiko ?
Raha olon-kafa tsy ianao
No ho eo anilako
Manahy aho, manahy, manahy mafy aho akia
Tena mbola manahy, fa hangahiahy satria

Ho aiko ve ny anadino anao ?
Mbola ho tia ve ny foko
Raha tsy ho eo intsony ianao ?
Tsy hitako ho sainina akory
Ny hitia olon-kafa fa tsy ianao
Hiova sy mbola hanavao, fitiavana tsy ho anao
K’aleoko izaho no ho foana toy izay ianao, ianao
K’aleoko izaho no ho foana toy izay ianao, ianao
K’aleoko izaho no ho foana toy izay ianao, ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 12444
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mbolamalala
Daty : 16/08/2004 07:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0594