Dedicace (ft Roy Rakoto) (Odyai)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Saika ho any andafy aho fa tonga dia no-anullé-ko
Rah hisidina any afinda any ianao mbola ilaiko
Androany ny depart-ko, handeha hitady vola
Fa anilanao no tiako satria tsy voavidy vola
Haka anao ho vady no ahitako tetikasa
Dia ty hira ty ataoko ho anao dedicace
Matetika aza
Be reo mpanakiana
Milaza fa ny antsika tsy haharitra ela
Na fihetsika io aza efa manambara
Fa ny aty koa mbola vonona haharitra ela
Dia mino aho fa ianao no hanampy ahy raha kivy
Fa ny mpiaramona ataontsika roa mirarakivy
Ka ela ela ho anao izaho aloha tsy mety reraka
Ny olontiako ankoatra anao, zanantsika teraka
Ka ity aho tonga raiso fa efa resy
Ra fahotana ny mitia dia ho avy aho hikonfesy

[Refrain]
Ity lay dédicace
Ho an' ilay tokako, ho anao lay silam-panahy
Ianao re ny ho ahy
F'efa vita soritra lay làlana hitondra any
Ka na lavitra aza
Fa na lanitra aza
Ho takariko ho anao(×2)
Ny maso efa nafoiko eny efa navalona
Fa raha za mpanjaka dia ianao ny Ranavalona
Dia ho avy ny alina, isika efa imtazotazona
Mifampisafosafo lela mifampi-passe passe
Ny fitiavantsika roa tsy ohatran'ny mananasy
Vitsivitsy mpanana tsy be ny manana azy
Manalazy be izaho rehefa misy fetifety na okazy
Zaho tsy star tsy manambola be
Fa ny voavidinio na dia kozy sao dia ranomboankazo
Zaho tsy mpanao film ohatranay koa mba mazoto
Fa raha hikalokalo ho anao dia zah koa mba mazoto
Na dia zato reo milaza tia anah
Ianao ihany no tiako na dia manakiana
Na Beyonce na Rihanna
Ianao ihany ny hany tiako mba hamihana
Any e Miami no hatao ny volan-tantely
Fa eto B mimi sady nvolatsika kely
Dia zay lay kalokalo ho entiko ho anao
Dédicace no atokako anao

[Refrain]
Ity lay dédicace
Ho an' ilay tokako, ho anao lay silam-panahy
Ianao re ny ho ahy
F'efa vita soritra lay làlana hitondra any
Ka na lavitra aza
Fa na lanitra aza
Ho takariko ho anao(×2)

Malemy aho raha fitia fa mafy aho raha miady
Fa ny aty koa efa ela ho'aho no zanaka mafy ady
Kely kely tsy mety lasa bokona
Fa mba reveko ho'aho raha zaho no hamaky
Ny bokinao voalohany
Fianakaviana zaho ny lohany
Fitiavako anao ohatran'ireny lamasinina
Mandalo eny amin'ny gara rehefa iny vao masila
Ianao ny tena tiako tamin'reo maro noteteziko
Fa raha miampita rano ianao dia ho asiako tetezana
Tsy asiako sira ianao na hoe avy any Ambatolampy
Fa raha tapaka ny jiro dia ianao ko ataoko lampy
Na maintele na metisse vazaha
Na tsisy passeport na tsisy visa
Fa zaho hikatsaka ny tia anao foana
Na katsata aza no hohanintsika mandavnataona
Refa tsisy anao aho dia lasa maty mosary
Fa ntena izy za ko teny maty amy le sary
Napetrako eo ando amp farafara
Dedicace oanao iny fa tsy oe ferapara

[Refrain]
Ity lay dédicace
Ho an' ilay tokako, ho anao lay silam-panahy
Ianao re ny ho ahy
F'efa vita soritra lay làlana hitondra any
Ka na lavitra aza
Fa na lanitra aza
Ho takariko ho anao(×2)
--------
Rohy:
Hevitra
steef ( 17/07/2016 16:17)
mafinaritra be euh! tiko be!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Odyai
Vangy : 11752
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : landyi
Daty : 15/05/2014 08:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0713