IZAHO SY IANAO (Ny salohy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izaho sy ianao
No nanolotra Azy ho tsaraina
Izaho sy ianao
No nanameloka Azy toy ny olon-dratsy
Izaho sy ianao
No nandà tononkira.serasera.org Azy tsy ho Kristy
Izaho sy ianao
Ilay niantsoantso hoe : "homboy Izy"

Mbola izaho sy ianao
Ilay nihevitra Azy ho adala
Izaho sy ianao
Ilay nandà Azy ho tsy nahalala
Nefa ny famonjena izay natolony
No nanekeny ho faty mba ho ahy sy rgfq ho anao.

Izaho sy ianao
No antsoiny hanatona Azy anio
Izaho sy ianao
No tiany indrindra koa ka tadidio
Fa ho ahy sy ho anao
No nanolorany ny tenany
Izaho sy ianao
Dia samy mbola itenenany hoe :

Miverena ka avia raiso Kristy
Ilay Tompo sy Mpamonjy izao tontolo izao
Aza lavina intsony na koa atosika indray
Fa vonona Izy anio handray ahy sy anao.

                  mosfi  lsnbafo           RABAIRIJAONA Andrianaina Robdera

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ny salohy
Visites : 2686
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Naina R.
Date : 17/10/2003 11:27
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0343