Arosoy ny lakantsika razandry (Ny Sakelidalana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fiverenana :Arosoy ny lakantsika razandry
fa sasa-miandry i neny
Arosoy ny lakantsika razandry
fa sasa-miandry i dada
Indry ny masoandro re razoky
Mandao ny lohasaha
Ny tary anie jereo razoky
Efa sahy dia sahy
ô o o
[Fiverenana]
Ny vorompotsy anie re razoky
mamonjy ny fodiana
Irony mpivahiny razoky
Mitady izay tobiana
ô o o
[Fiverenana]
[feonkira]
ô o o
[Fiverenana]
Ny rivotra mitsoka razoky
Somary mangatsiaka
Toa tena hody koa razoky
Te hody toa antsika
ô o o
[Fiverenana]
Ny rano maria jereo razoky
somary tonitony
namela antsika hody razoky
mitsotra koa ny fony
ô o o
[Fiverenana]
[Fiverenana]
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Ny SakelidalanaVangy : 7
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RalitaTanjona
Daty : 10/03/2026 10:56
