You are here: home > Tononkira > Ny Mpitory

Jesoa isaorako (Ny Mpitory)

Jesoa isaorako ny fitiavanao ahy
Na mafy ny manjo mandresy ny fanahy
Fa ampy ho ahy tokoa ny fahasoavanao
Mionona ny fo eo am-pelantananao

Jesoa misaotra indrindra
Misaotra eram-po
Ny fiainako mirindra
Ka ampoky ny  soa
Fa ampy hifaliako ny fahasoavanao
Jesoa ny faniriako hitoetra anilanao

Jesoa isaorako ireo teninao
Fa dia nandramako mandresy aho tononkira.serasera.orgizao
Fa ampy ho ahy tokoa ny fahasoavanao
Matoky izany fo ampaherezinao

Jesoa misaotra indrindra
Misaotra eram-po
Ny fiainako mirindra ka ampoky ny soa
Fa ampy hifalialo ny fahasoavanao
Jesoa ny faniriako hitoetra anilanao

Jesoa misaotra indrindra e
Misaotra eram-po
Ny fiainanay mirindra ka ampoky ny soa
Izao no faniriana ireo taranakay
Jesoa ho fifaliany ny fahasoavanao.

Mpihira : Ny Mpitory
Mpamaky : 1344
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : rakotoson.laingo
Tamin'ny : 29/03/2020 09:10:50
ID : 12643

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo