Anatra (NY ANTSAFIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Manoratra ho anao anio ity
Ry namako tiako izany
Mahatsiaro anao aho no antony ity
Noho ny Tompo no mahatonga izany

Manoratra ho anao aho anio ity
Ry havako lavitra any
Mitandrema ianao fa malama ny dia
Miambena, mivavaha hatrany

Fiverenana:
Ny Tranga rehetra hita etsy sy eroa
Mahaliana toa tsara tokoa
Tanora ny tena sondriana eo tokoa
Tandremo fa tsy mahasao

Ny zava-drehetra azo atao avokoa
Tsy voatery hahitana ny soa
Sakaizan’ny Tompo ianao any iny
Tandremo ka aza hadino

2-Tsy hadino ny ora ‘zay niarahantsika
Nanoloana ny fahatanorana
Tao ’reo ady sy ‘reo tsikitsiky
Zary nofy tokoa izany

Manoratra ho anao aho anio ity
Ho anao any lavitra any
Soraty ao am-ponao Jesoa Kristy
Fa ho rava tokoa izany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NY ANTSAFIA
Vangy : 1347
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : NYANTSAFIA
Daty : 18/11/2017 08:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0876