Soa (Nono)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fihafiana no fiainako
Fantatro fa tsy fantatrao
Ny hakiviana no mameno ny loha
Ny andro tsy nahalalako anao

Teritery ny efitranoko
Kely dia kely tsy mendrika anao
Ny fiainana nofinidiko
Tsy haiko raha toa ka hozakanao

Soa e! soa
Ny afom-pitiavanao
Ny masonao, ny molotrao
Soa e! soa
Ny fandeferanao
Ny savisavika fanaonao
Soa e! soa
Ny orokorokao
Loharan’ ny hasambarako
Soa e! soa
Ny fiketoketoky ny safosafonao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nono
Vangy : 3118
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 22/10/2002 14:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0764