mandodona (Nono)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
mandodona ianao
manantena koa
fa ho vohaiko ny varavarako
miantsoantso ahy mafy ianao
nefa moa

efa be irao vitanao
tsy voatanisako
marobe efa be dia be
ka avelao mba hanao
izay tiako atao

teo ianao, nampijaly ahy
izao ianao, vao mitady ahy
ka fantatrao ny varavarako
taloha aho, nihomehezanao
ankehitriny aho, tadiavinao
toloranao fitiavana efa lo

mandodona ianao
mihivingivin-doha
hifonanao ny ratsy teo aloha
manantena ahy mafy ianao
nefa moa

efa be irao vitanao
tsy voatanisako
marobe efa be dia be
ka avelao mba hanao
izay tiako atao

teo ianao, nampijaly ahy
izao ianao, vao mitady ahy
ka fantatrao ny varavarako
taloha aho, nihomehezanao
ankehitriny aho, tadiavinao
toloranao fitiavana efa lo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nono
Vangy : 3996
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : angovo
Daty : 27/08/2004 01:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4346