Ry tanora (NOMIA (NOrmaliens MItory An-kira))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Moa ve mba fantatrao ry tanora izao fiainana izaoFa toa variana midola mirevy ianao
Mba saino kely angeh sao dia very @ afo be
Jesosy miantso anao mangingina mba miverena re
Refrain :
{Tantano mba tsy hania ry Jesosy ity tanora maro be
Arovy amin’ny asan’i satana sy fakam-panahy re
Ka tano mba ho Anao, iantrao re ty zandrinao
Mba hiova hanao ny tsara hatrany hitory hidera Anao} in-2
Vonjeo re sy mba iantrao, Jesô ny tanoranao
Voafatotry ny asan’i satana voageja @ haizin’ny hadalana
Vonjeo re sy mba iantrao, Jesô ny tanoranao
Voafatotry ny satana voageja @ haizin’ny hadalana
{Mba hiova, tsy hisalasala
Mba hiova, tsy hisary adala
Fa Jesô no fiainana} in-2
Refrain :
{Tantano mba tsy hania ry Jesosy ity tanora maro be
Arovy @ asan’i satana sy fakam-panahy re
Ka tano mba ho Anao, iantrao re ty zandrinao
Mba hiova hanao ny tsara hatrany hitory hidera Anao} in-2
T/F : TANTELY Andriamampiandra Abelson
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : NOMIA (NOrmaliens MItory An-kira)Vangy : 12
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Prosper01
Daty : 05/06/2026 15:38
