Ry tanora (NOMIA (NOrmaliens MItory An-kira))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Moa ve mba fantatrao ry tanora izao fiainana izao
Fa toa variana midola mirevy ianao
Mba saino kely angeh sao dia very @ afo be
Jesosy miantso anao mangingina mba miverena re

Refrain :
{Tantano mba tsy hania ry Jesosy ity tanora maro be
Arovy amin’ny asan’i satana sy fakam-panahy re
Ka tano mba ho Anao, iantrao re ty zandrinao
Mba hiova hanao ny tsara hatrany hitory hidera Anao} in-2

Vonjeo re sy mba iantrao, Jesô ny tanoranao
Voafatotry ny asan’i satana voageja @ haizin’ny hadalana
Vonjeo re sy mba iantrao, Jesô ny tanoranao
Voafatotry ny satana voageja @ haizin’ny hadalana

{Mba hiova, tsy hisalasala
Mba hiova, tsy hisary adala
Fa Jesô no fiainana} in-2

Refrain :
{Tantano mba tsy hania ry Jesosy ity tanora maro be
Arovy @ asan’i satana sy fakam-panahy re
Ka tano mba ho Anao, iantrao re ty zandrinao
Mba hiova hanao ny tsara hatrany hitory hidera Anao} in-2

T/F : TANTELY Andriamampiandra Abelson
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0532