ILAZAO (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ilazao ny famonjena
Ireo izay tsy mba manantena
Hiaina am-pifaliana rahatrizay
Anjaranao izay mahalala
No mampiditra ao am-bala
Ireo ondry izay maniasia

Fitiavana an’izao tontolo izao
No nanolorany ny ain’ny Tompo
Efa voavidiny tamin’ny rany
Ireo olona rehetra eto an-tany

Izay manamafy fo
Torio ireo teny soa
Ny tsy efa ny Ray no hamita
ka aza mba manahy foana
F’Izy ho eo anoloana
Ho mpitarika ny dianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njila
Vangy : 24031
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : rosia1
Daty : 30/10/2007 07:29
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4028