You are here: home > Tononkira > Njila

AM-PELATANANAO (Njila)

https://tononkira.serasera.org/hira/njila/am-pelatananao-1

Am-pelatananao ry Ray avo indrindra
No ametrahako ny diako izao
Fa lalan-tsarotra izay tena mampatahotra
No ho diaviko

Ka mila Anao hitari-dalana sy hanoro
Mba tsy ho lavo amin’izao fiainana izao
Arovy ami’reo loza aho mba tsy handao Anao

Ka raha sendra ady sarotra ny fiainako
Mino aho fa te hanafaka ahy tokoa Ianao
Mandry am-piadanana aho tsy manana ahiahy
Ho afaka amiko ’reo tahotra izao mamatotra ahy

REF: Tsy ho tsapako intsony ny fiainana tsy tony
      Ho afaka hijoro aho hiaraka AmiTsiky dia ampynao
      Ka na dia maro aza ireo fahavaloko
      Tsy hanan-tahotra aho fa Ianao no manda fiarovako

Efa tsy azo hametrahana ny fo intsony
Raha izao fiainana eto izao
Fa ady sy korotan-dava tsy misy filaminana no eto

Ka velon-tebiteby sy horohoro mafy
Isan’andro isan’andro isika rehetra izao
Miaina ao anatin’ny tahotra mampivadi-po

Koa dia taomy aho ry Ray ho any Aminao
Ao Aminao ihany no misy fiadanana
Aza avelanao hiala an-tratranao Ray o!
Ampifalio aho mba tsy ho tafasaraka Aminao

REF: Tsy ho tsapako intsony...

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Njila
Mpamaky : 10896
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : RASOLOHERY Mamy
Tamin'ny : 30/05/2002 15:19:26
ID : 698

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo