You are here: home > Tononkira > Njila

NALEVINA (Njila)

https://tononkira.serasera.org/hira/njila/nalevina

Nalevintsika omaly
Ilay fitiavantsika teo iny
Tsy hanelingelina intsony ahy sy anao
Nampombaiko azy tany
Ny mombamomba antsika rehetra
Tsy hiverimberenana intsony
Hanadalana antsika
Ilay sangisangitsika iny
Ilay sora-tànantsika iny
Ilay rediredim-pitiavantsika
Zary nofy tsy hisy intsony izany

Nalevintsika omaly
Ilay fitiavantsika teo iny
Samy tsy te hahalala inTsiky dia ampytsony
Na izaho na ianao
Nankararirary fo
Ny nanongotra azy teo iny
Sitra-pontsika anefa ny nanafaka azy
Samy manana ambo-po
Miseho ho tsy mivaky loha
Samy mbola tia kanefa
Menatra ny hiverin-dàlana

         Mankarary fo ny mieritreritra anao
         Hosoloina olon-kafa vaovao
         Fitia tsy natao hateza ny ahy sy anao
         Avelao hifarana
         ALEVENO NY MOMBAMOMBA ANTSIKA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Njila
Mpamaky : 2550
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 12/10/2002 18:43:24
ID : 1140

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo