Atolotro Anao (NAINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ity ny foko atolotro anao
Sy izay rehetra rehetra momba ahy
Atolotro hanjakao
Vonon-k'hanompo anao mandrakizay


Atolotro ny tenako
Ho fanati-tsitrakao
Izay ratsy taloha
Hialako tsotra izao
Ny tapaka sy namana
Ny havana rehetra koa
Entiko hanompo anao
Hahita ny hatsaranao
Fa ny anilanao ry Tompo
No maminay sy telinay

Ny iray tanana amiko
Iray firenena ihany koa
Hilazako ny aminao
Fahagagana vitanao
Izao tontolo rehetra izao
Hitako noho Ianao
Hilazako ny momba Anao
Fanatsarana vitanao
Fa ny anilanao ry Tompo
No maminay Sy telinay
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : NAINA
Visites : 217
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : SGAV
Date : 18/06/2025 12:06
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1582