TRANO BONGO (Mirado)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Trano bongo iray izay
Any an-tany efitra
Tokana sy mangina
Raha tazanina

Tsy mba misy zava-maintso
Na rano mikoriana manodidina azy
Fa ny ao anatiny kosa
Dia paradisa

Tsisy fanaka mihaja
Na koa entan-tsarobidy
Faran’izay tena tsotra
Fa meva tokoa

Kanto sady fatratra
Tsisy tsara noho izany eto an-tany
Raha tinao ho fantatra ny ao
Fitiavana

ref: O! tsapao
Tsiky foana no manjaka ao
Fifandeferana no kilalao
Fifaliana no sakafo
Fitiavana no afo
Manafana ao

Etsy ianao mba ho entiko any
Fa ho itanao tokoa
Fa miavaka aok’izany ny ao

Kanto sady fatratra
Tsisy tsara noho izany eto an-tany
Raha tinao ho fantatra ny ao
Fitiavana

ref: O! tsapao
.............

Izy ilay trano bongo kely
Fa misy tantely
Izy ilay trano bongo
Feno fitia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mirado
Vangy : 6299
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : babylove
Daty : 09/12/2007 22:31
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112