SATRIKO FOANA (Mirado)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mahatsiaro tena ho irery aho indraindray
Tsy very dia fa toa varimbarina
Raha tsy eo anilako eo ianao
Tsaroako misy banga ny fiainako

Raha any lavitra any ianao
Ny sora-tananao sy sarinao
No mba banjiniko mandrakariva
Nefa tsy ampy ahy ireo raha tsy tena ianao

ref: Satriko foana tsy misara-dia izaho sy ianao
Tsy mifandao fa izay misy anao misy ahy
Ny fahitako anao eo anilako eo
No harena sarobidy indrindra amiko

Na ny maraina miposaka ny andro
Na ny hariva izay mody masoandro
Indrindra fa ny alina izay mangina
Tsy tony aho raha tsy eo anilako ianao

Rehefa eo anilanao aho
Rehefa eo anilanao aho
Toa hasambarana hatrany
No manerana ny foko sy ny saiko

Na ory na malahelo aho
Na trotraka na sorena
Hisava daholo izany
Rehefa eo anilako ianao


MIRADO feat COLOMBES
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mirado
Vangy : 10755
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : babylove
Daty : 09/12/2007 22:45
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119