You are here: home > Tononkira > Mirado

Ny alokao (Mirado)

Tofoka aho, maloka aho, saiko feno anao
Miahotra aho toa tsy sahy 'ndeha hijery anao
Na dia ny alokao
Torotoro ny fo, saiko feno anao
Miahotra aho toa tsy sahy 'ndeha hijery anao
Na dia ny alokao, ny alokao

Toa hangina ihany aho
Toa hanembona anao mandrakizay
Hangina ihany aho
Na handre ny feonao aho toa tsy sahy
Nieritreritra anao ihany
Ny alokao

Isika roa nanantena ho avy koa
Nifanao fanekena ho iray ny roa
Toy ny aloka
Torotoro ny fo, saiko feno anao
Miatononkira.serasera.orghotra aho toa tsy sahy 'ndeha hijery anao
Na dia ny alokao, ny alokao

Toa hangina ihany aho
Toa hanembona anao mandrakizay
Hangina ihany aho
Na handre ny feonao aho toa tsy sahy
Nieritreritra anao ihany
Ny alokao

Niezaka ihany aho ny hamafa anao tato an-tsaiko,
Nampionon-tena
Toy ny aloka izany ianao tato an-tsaiko
Mitoetra marain-tsy hariva

Toa hangina ihany aho
Toa hanembona anao mandrakizay
Hangina ihany aho
Na handre ny feonao aho toa tsy sahy
Nieritreritra anao ihany
Ny alokao

Hevitra mandeha

radolalainaarison (20/04/2019 22:42:56)

Ahitsio izay diso.Mirado 2018

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Mirado
Mpamaky : 1006
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : radolalainaarison
Tamin'ny : 20/04/2019 22:45:36
ID : 11560

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo