Hisy hatsiarovanao (MIckael)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny ziogan-dratram-poko ato anaty
Ekeko f’ho zakaiko foana
Ny hambany ihany hatreo no tsy tanty
Fa mbola hanolatra any taona
Fitia madio ve mba no nanafy
Mba hijinjana haravoana
No sahinao nohosena hifandrafy
Raha ‘zay no anjara moa k’atao ahoana.

Ny manante-tsy misy no mafy
Fa raha izay mamoy mora foana
Ka tsy aleo ve dia mivonon’hiafy
Miandrandra indray ny lohataona
Hisandratan’ilay maraina
Hivimbin’hafanana vao
Fitia inoako fa hamelon’aina
Lavitry ‘reo fitapitakao.

Ref:
Fa hisy hatsiarovanao ny anarako
Hioty ratram-po raha ‘zay no hany anjarako
Ho dila, hidify anao ny lalako
Fa diso aho nanantena aloka ho namako.
Fa mbola hisy hanembonanao ‘zao hira izao
Raha tojo ny andro kosa ka hianjady aminao
Ilay todim-pitia tokana ka tsy hay idifiana
Hatsapanao mangina, fa hay fijaliana
Ny kaikitry ny amboa kely tiana.

....

Ao ny manante-tsy misy no mafy
Fa raha izay mamoy mora foana
Ka tsy aleo ve dia mivonon’hiafy
Miandrandra indray ny lohataona
Hisandratan’ilay maraina
Hivimbin’hafanana vao
Fitia inoako fa hamelon’aina
Lavitry ‘reo fitapitakao.

Ref:
Fa hisy hatsiarovanao ny anarako
Hioty ratram-po raha ‘zay no hany anjarako
Ho dila, hidify anao ny lalako
Fa diso aho nanantena aloka ho namako.
Fa mbola hisy hanembonanao ‘zao hira izao
Raha tojo ny andro kosa ka hianjady aminao
Ilay todim-pitia tokana ka tsy hay idifiana
Hatsapanao mangina, fa hay fijaliana
Ny kaikitry ny amboa kely tiana.

....

Ref: ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIckael
Vangy : 2246
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tahiana.dafy2015
Daty : 25/05/2017 14:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724