Fitiavana (MIckael)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Teny Kely tsotra iray izay no mandrindra
‘zay safidintsika ho enti-miaina
Toky tsiky ho an’ny zaza miana-mamindra
Arofanina hoan’ireo vory saina
Mazàna tsy azo veroka an-doha
Fa izy no iporan’ny soa
Satria izay fo onenany dia henika hatrany
Risim-po tsy hanam-piafarany
2-Teny tsotra kely iray tokana monja
No manentana ny fo mba hivetso
Tsy hita ho alalinina fa tsapa toa onja
Manenika fanahy mba hisento
Izay mino azy, dia manantena
Izay itempony manan-karena
Ny fo tsy manan’azy, toy ny sary voakaly e!
Marevaka fa tsy afa-mifaly….
3-Teny tsotra kely izay no manome lanja
Ny mason’olon-droa mifanena
Mivoatra ho voady matotra na inona hitranga
Fa lamban’akoho no ho kendrena
Anton’ny fisiana eto an-tany
I Neny no nandovàna izany
Lay mamorona tsy misy koa raha ilaina
Mba hifalian’ny menaky ny aina
4-Teny tsotra tsy fanazimba
Fa miova ho mety hanody manimba
Afa-hanova indray mipi-maso ny lanitra ho afo
Fa izay mikolo azy ho mateza
No mioty hasambarana ngeza
Fa loharanon-tsiky tovozin-tsy maina e!
Ny FITIAVANA raha lazaina
REFRAIN: FITIAVANA! Teny tsotra kely mivimbina hery
Manitosaka ao am-po hazavàna
Manova ho soa ny fomba fijery
Tery tsy mahita ny hombàna
Teny tsotra iray afak’hampifandray am-po
Ny olona tsy mifankahay
Mba hifanasoa, ho fanahy iray
Higoka hasambarana mandrakizay
5-Ny FITIAVANA dia halemem-panahy
Toavim-pahendrena ihany koa
Mahay mamela heloka izay diso tsy nahy
Tsy tia lonjony na lolom-po
Ny FITIAVANA dia mahay
Manome fa tsy mba mandray
Izay no tena fandresena iray makadiry
N’aiza tsy mba fahita firy
6-Ny FITIAVANA fahamboniana
Tsy resim-pahoriana na oviana na oviana
Raha tojo sedra vaika fiantefa, tsy mirefarefa
Hainy loatra fa ny eto an-tany
Anaty ny mangidy ny mamy
Eo ny finoana, ny fanantenana
Fa ny FITIAVANA no fahazavàna
Eo ny finoana, ny fanantenana
Fa ny FITIAVANA no fahazavàna
MICKAEL ( FITIAVANA / Album3 – XMIND -2007. A/C : Delacre )
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIckael
Vangy : 1958
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tahiana.dafy2015
Daty : 04/10/2017 15:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3748