Ambany elatrao (Mi.A.Z.A.)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ambany elatrao tsy misy zavatra ahiana
Fo mitony, saina koa
Tsy orin-java-tsoa
Ambany elatrao mahatoky ireo fitahiana
Sesilany atolotrao anay
Ambany elatrao tontosa izay kasaina
Ireo tarigetra, hetaheta omenao avokoa
Ambany elatrao tsy misy lehibe sy kely fa soa mitovy no indro aposakao

Fiv.: Fiderana lalandava no asandratray
Haleloia, he Hosana ho Anao Ry RAY
Mifalia, mihobia fa ampy ho anao Izy
Ampy ho anao ny Voninahiny

Ambany elatrao moa efa fantatsika
Kristy Jesoa no maty ho avotra ho ahy sy ho anao
Ambany elatrao mijoro,miran-dava
Satria faly, voavonjy mandrakizay
Ambany elatrao voaharo amin'ny ratsy
Na toloko, na tomany dia hanalavitra anao
Ambany elatrao mahita lalana tsara
Izay mitondra ny fahasoavana

Fiv.: (2fois)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mi.A.Z.A.
Vangy : 1355
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fengyi
Daty : 03/06/2016 09:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748