Avia fa... (Manafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy misy anarana afa-tsy tokana hazona fiainana Fiainan-tsambatra Ny Tompo Jeso e! (Fa Izy Izy ihany) Fa Izy nanome ary mbola hanome Fitia tena fitia Ho an'ireo nania Kanefa tsy manery Safidy anao irery Aza misalasala fa miandry anao lay vala Ny Tompo miandry ao Hanafy lamba vao Ny andraso andraso lava Hialao sao mandatsa Anio dia anio no tsara Hodinao ao am-bala

Na fotsy ianao na mavo , Na iva ianao na avo Dia samy efa nivily e! Na zovy ianao na zovy , Teo aminy mitovy Samy tiany hovonjena

Avia ry efa nania (mba) Hidera ilay nitia (ka) ento feo manga Dihizo araho lokanga hobio ilay mpamonjy e!!! Ny rany raraka (dia) Tsy mba nanavaka (fa) Ho an'izao tontolo Zay efa bobongolo Ka tiany ho afa-jaly e!

Dieny mbola akaiky Meteza ianao hanaiky Ô mijanona aloha Voahy izany fo Handray ny Tompo Fa Izy Izy ihany Fa Izy nanome ary mbola hanome Fitia tena fitia Ho an'ireo nania Kanefa tsy manery Safidy anao irery Aza misalasala fa miandry anao lay vala Ny Tompo miandry ao Hanafy lamba vao Ny andraso andraso lava Hialao sao mandatsa Anio dia anio no tsara Hodinao ao am-bala

Na manana harena na tsy manan'omena Antsoiny ianao anio e!! Ny tompo te hanasa ny vita sy efa lasa Ho fotsy tena hadio e

Aza matahotra (fa) efa olon'afaka (ndeha) Ny feonao hasandrato hihira tsy hiato hideran'ilay Mpamonjy e!! Ianao mafy fo (mba) henoy iany aloha (sao) Ho tara vao hitady nefa ilay vavahady dia efa tsara hidy e!!!

Dieny mbola akaiky Meteza ianao hanaiky o mijanona aloha Voahy izany fo Handray ny Tompo

Fa Izy Izy ihany Fa Izy nanome ary mbola hanome Fitia tena fitia Ho an'ireo nania Kanefa tsy manery Safidy anao irery Aza misalasala fa miandry anao ilay vala Ny Tompo miandry ao Hanafy lamba vao Ny andraso andraso lava Hialao sao mandatsa Anio dia anio no tsara Hodinao ao am-bala
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Manafi
Vangy : 941
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : havoberesaka
Daty : 15/12/2017 11:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0717