You are here: home > Tononkira > Mahaleo

Manembona (Mahaleo)

Manembona aho re roy
Tapa-dia toa omby nafahy
manembona ny hava-tsy foy
lasa vetso sy very fanahy

Fa vitsika momba kitay
ny ranomaso no havozona
irery tsy misy miahy
Singan’olona toy ny voahozona

Toa ny rahona ny alahelo
Raha mavesatra dia mianjera
raha tsisy Tsiky dia ampyhialofana tsy misy elo
dia mandena mamely tsy miera

Ny alahelo no hany sakaiza
ny tsiahy no hiondanana
te hilefa kanefa mba ho aiza
sara-tiana nohon’ny tsy fananana

tsy ho ela ny lanitra ho manga
hiaretako izay zava-mitranga
injany efa manangasanga
ny toerako any tsy hijanona ho banga..

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Mahaleo
Mpamaky : 9654
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Rabehasy
Tamin'ny : 05/01/2002 23:40:11
ID : 464

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy