Manoratra tantara (Lova Mamisoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Valabalaky ny kandra aho androany
Reradreraky ny asa aho tato ho ato
K’aleo mivazovazo kely aloha f’izany zao no tsara
Mamerina ireo hira taloha izaho sy ny gitara
Ireo akama mpiaramihira eny ambony tamboho
Efa tsy misy hita intsony nitady izay mahasoa

Refrain
Ka raisiko ny gitara dia eo aho no mba mivazovazo
Manoratra tantara amin’ny fiainako andavan’andro
Dia raisiko ny gitara dia eo aho no mba mikalokalo
Mihira sy mitantara izay mba fahita isan’andro

Ilay sipa nantenaiko mba ho ahy koa efa manatompo
Hay le tsiky nomeny ahy iny fahalalampomba
Le bandy miaraka aminy any iny kay efa razoky
Mi-kaskety lava fona lery ny volony efa sola

Indray maraina andeha hiasa iny aho no sendra nifanena
Tamina tovovavy mafatifaty andeha hiantsena
Tarafaray bus zahay roa non’ny aveo
Nifanakaiky seza ihany koa toa tsy nampoiziko
Tafaresaka mozika tao zahay roa
Vonona hampiaram-peo nifanome rendez-vous
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lova Mamisoa
Vangy : 262
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lovamamisoa2
Daty : 30/11/2022 09:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719