You are here: home > Tononkira > Levelo

Barakay (Levelo)

Ny  olon-tsy tiana no manasofaso
Tsy aleo miparitaka
Ny afo nandoro ny lambako omaly
Hodobasako rano
Ny tsilo nandatsaka rà faladia
Tsy andefarana angady
Akopaka ny elatra lasa hitsoaka
Na kopa-mosara  na modiamodia
Ny sikina atý no atao fato-maty
Izy tsy asiako sira fa aleo barakay
Misarin’adala mifandrebireby
Tsy aleo ve misaraka

MidoTsiky dia ampyngy mikisina manorisory
Tsy aleo mihatakataka
Fa ny fotaka mandry aza ho’aho raha mikobana
Mety mandrevo
Misitrika ialahy difo-drano dia tsy hita any
Mandrakizay
Atao mampamangy lery zany tany
Hisavika lanitra, hiarahaba ny anjely
Hively lamako, hanelatra ialahy
Ka hanjary mpitsena ny mody any ankoatra
Voahangy tsy hangirana ho’aho manadala
Fa aleo maka miadana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Levelo
Mpamaky : 2556
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 18/08/2014 12:05:31
ID : 6660

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo