mpanarato mody (Levelo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny lakana feno trondro miledaleda e,
Misosa makeny amorona ny mpanarato
Ny ety andafin-drano mikopa-damba e,
Ny avy lavitra koa mba manao salut a

Dia hiadana kely indray ny ao an-tokantrano ô,
Hamangivangy la boutique e, hividy zavatra ilaina
Hifaly e, hifaly e, hifaly ny iray tanàna, samy faly ny iray tanàna
Manainga zipo mirobo-drano
Mandihy salegy ny ampela rehetra, mahita olo-tiana mavesatra izy
Feno trondro ao andakan-jejo, Feno trondro ao andakan-jejo
Ireo mpanarato mody mively daba e
Manaraka anay mivazo amin’ny taralila a


Dia niakatra an’Anjomà zao ny tsena aty,
Mipelika mbola velona ny ankamaroany
Ao ny namofompofona manangon-dalitra e,
Gogo efa lö tsinay gorina tsy ngôro

Ny trondro atakalo vola fa be ny mpila
Ny maritrafo gôkagôka, dimbiasana vy manonja
Mividy e, mividy e, mividy solika ambariaka, hanjono tsisy fiafarany
Be ny tahiry sy ny ambimbava,
Mandina soa ny any antsiraka any, ny harato efa ringitra bobongolo ô
Fanampiana mahery vaika, Fanampiana mahery vaika
Fa rehefa ela nihafiana ary ve ny aty e
Ny lakana tsy mba ho sambo hampirehareha a
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Levelo
Vangy : 1831
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : augustinrakoto
Daty : 10/07/2021 19:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4168