You are here: home > Tononkira > Levelo

FAKITERA (Levelo)

Tsy hitako nandalo tsony izy e!
Bozaka maina an-davenona ô
Aloka matahotr’andro sisa e
Fa maty any ho any a
lay fakiteranay e!

Dia foana sy nangina tsisy tabataba tetsy ambavahady e!
Mpitsena lasa nody a!
Mpizara taratasy ambony sikileta fakitera maty a!
Ireo voromanga nanatona niala
F’izy kosa lasa any ankoatra paradisa e !
Ambany dongontany varavarambato
Asiana voninkazo a!

Fakitera nandimby fakitera
Nizara taratasy ihany fa saingy ferapara!


Lasa tsy nanao mbay làtononkira.serasera.orglana izy e!
Dify tsy hamangy tanàna ôôô
Doroky ny ankason-tany izy e
Tandindona sisa raha toa ka mandalo a!

Fa folaka an-dantony efatra ambin-telo fakiteranay
Nangina nangina
Nangina tsy niteny fa ambiroa no maty feon’avelo tsisy a!

Fa tanam-bokovoko vazy tanimanga marika najoro
Fa nisy fakitera teto
Fa tanambokovoko vazy tanimanga marika najoro
Fa nisy fakitera teto a!
Sakaizan’ireo tary sy mpifankatia nisara-toerana ela

Nofo moa k’hisy fiafarany e
Hody vovoka ho tany raha tonga ny fotoana

Mpihira : Levelo
Mpamaky : 13392
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 16/02/2006 06:22:06
ID : 3465

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo