Eo antratran'i Abrahama (Les Adeline)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny tany e!, ny tany a!, dia fandalovana ihany ah! (X2)
(Mandalo ihany!) (X4)

Mba saino ihany e!, (Ah!)
'Zay mba hiafarana! (X2) 're olona ôh!
(Ah! aaah!!! ah!)

Lehilahy mpanakarena iray
Niakanjo volomparasy,
Sy rongony fotsy madinika
Nirehareha fatratra
Ireo vola sy harena nananany e!
Noraofina amin'tsobika
Laza sy haja koa be dia be
Nanjakazakany koa avy izany e! eeh! ee!

Nihevitra anefa ralehilahy
Fa havonjy azy izany e! eh!

Ny vola sy harena anefa aah!
Tsy havita izany e! (Izany e!(X4))

Niliba ihany e! eeh! (Ah!)
Tsy niraharaha (Ah!)
'Zay mba hiafarana e! (Ah!)
Any aoriana 're olona ôh! (Ah! aaah!!! ah!)

Tsy nihantra akory ralehilahy
Nahita ilay mahantra,
Mahantra be fadiranovana
Verena sy mpangataka
Ary dia navelany nandeha
Nibabababa ny arapaka
Hitsakitsaka sy latsa oah!
No mba namaliany izany e! eeh!
(Eny e! eeh!, eny e! eeh! eee!!)
....
Raha tonga rafahafatesana a!
Niova ny tantara
Ny harena sy vola tsy niakatra,
Dila ny anjara
Fiainana hafa no hitany e!
Tomany sy fahoriana,
Ny ankilany kosa niaina be;
Teo an-tratran'i Abrahama aah!
....
Ho any aho!(X2) eo an-tratran'i Abrahama!

Ho any aho!(X2) eo an-tratran'i Abrahama!
(Ho any aho!(X4))

Jesôsy ihany e! eeh! (Ah!)
No afaka hampifaly a! (Ah!)
Izy irery ihany e! eeh! (Ah!)
No lalana mankany 're olona ôh! (Ah! aaah!!! ah!)

Anio ary ry namako ôh!
Ovay ny dianao
Ny harena sy vola anananao,
Tsy hoe andeha hialao
Fa kosa atolory avokoa
Izay rehetra anao;
Mba anomezany bebekokoa
Sy hitahiany ny fiananao e! eeh! eeh!
(Eny e! eeh!, eny e! eeh! eee!!)

Jesôsy ihany e! eeh! (Ah!)
No afaka hampifaly a! (Ah!)
Izy irery ihany e! eeh! (Ah!)
No lalana mankany

Jesôsy ihany e! eeh! (Ah!)
No afaka hampifaly a! (Ah!)
Izy irery ihany e! eeh! (Ah!)
No lalana mankany 're olona ôh! (Ah! aaah!!! ah!)
....
Ho any aho!(X2) eo an-tratran'i Abrahama!
(Ho any aho!(X4))
(X8)
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 18/02/2024 23:41)
Mety hoe hafahafa fa Les "Adeline" no anaran'ny mpihira (singulier ny Adeline)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Les Adeline
Vangy : 150
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 18/02/2024 02:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734