HIFARANA IZAO (Les Adeline)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hifarana izao ny fiarahantsika teto, hifarana indray
Ka dia veloma no hapetraka ho mandra-pihaona fa tsy ho mandrakizay
Ny anio no hifarana fa ny finoako ato anaty, Eny faniriko hatrany, dia ny hihaonantsika rehetra, mbola hifankahiita , rehefa any an-danitra any ô

Fantatro ny lalana raha mbola eto an-tany, fa tery sy mideza, fijaliana, ranomasom-pahoriana nefa hoy aho hoe: Mahereza
Tsy angano akory fa tena misy tena misy ilay :Paradisa vaovao: Mijoroa hatrany tano ny finoana, mahereza ianao
veloma e! aza malahelo foana
Veloma e! tsy ho mandrakizay fa mandra-pihaona
Veloma e! manana finoana
Fa any an-danitra any isika rehetra izao tsy maintsy mbola hihaona
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Les Adeline
Vangy : 3927
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : besa
Daty : 08/11/2005 06:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716