Mahereza (LEMARA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ato anaty trano mirehitra jiro labozia kelyNo anambarako ireo alahelo vokatry ny fery
Nandao ireo havana akaiky
Torovana toa nanjokaiky tsy nahaloa-peo
Ny rora ao ambava mafaitra
Ny tenako iray manontolo toa tsy hery
Mahereza ry namako o ! Mitrakà
Aza malahelo f’izay no lahatra a
Mahereza ry havako o ! Mitrakà
Aza malahelo f’izay no lahatra a
Izany ny fiainana eto ambonin’ny tany
Tsy ilaozan-tsento fa tsy maintsy misy ny tomany
Na izaho na ianao mbola ho any
Mila mandao ny ankany fa tapitra hatreo
Mifarana hatreo ny tantara a
Ka aleo indray mba ny mahereza no apetrako eo
Mahereza ry namako o ! Mitrakà
Aza malahelo f’izay no lahatra a
Mahereza ry havako o ! Mitrakà
Aza malahelo f’izay no lahatra a
Na izaho na ianao mbola ho any
Mila mandao ny ankany fa tapitra hatreo
Mifarana hatreo ny tantara a ( x2)
Ka aleoindray mba ny mahereza no apetrako eo
Izany no fiainana ety
Ho tsofiko amin’izay ary ilay labozia
--------
Lien:
