NY MINO (Laurent RAKOTOMAMONJY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na dia mamaky lohasaha mangina aza aho
Ny mino an'i Jeso tsy mba manahy
Mandroso, mandroso
Ny mino an'i Jeso tsy mba manahy

Ka na dia misy ny mpamingana tsy tia
Ny fiainako milamina ery
Mandresy aho, mandresy aho
Ny fiainako milamina ery

Ref:
Ry mino an'i Jesoa Kristy o matokia
Jeso no andry rahona ny atoandro
Andry afonao rehefa maty masoandro
Ny antontan'onja mampitsangambolo
Arindrany alaminy daholo

Aza adino o ry mino
Jeso no andry rahona ny atoandro
Andry afonao rehefa maty masoandro
Ny antontan'onja mampitsangambolo
Arindrany alaminy daholo

Na tandindomin-doza be aza aho ety
Satria mandrahona ny tsunami
Mahatoky aho, mahatoky aho
fa manana an'i Tompo Jeso tia

Fa izy no efa lasa nialoha lalana ahy
Hanamboatra fitoerana ho ahy
Trano soa, trano soa
Toerana hitonian'ny fanahy

Ref:
Ry mino an'i Jesoa Kristy o matokia
Jeso no andry rahona ny atoandro
Andry afonao rehefa maty masoandro
Ny antontan'onja mampitsangambolo
Arindrany alaminy daholo

Aza adino o ry mino
Jeso no andry rahona ny atoandro
Andry afonao rehefa maty masoandro
Ny antontan'onja mampitsangambolo
Arindrany alaminy daholo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Laurent RAKOTOMAMONJY
Vangy : 4592
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jockl
Daty : 29/01/2020 23:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1608