Ny Adala (Laurent RAKOTOMAMONJY)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny adala no manao anakam-po hoe tsy misy AndriamanitraKanefa milaza mitory sy mino fo tonga any an-danitra
Ny mpanompo sampy va re mba handova ny fiainana mandrakizay ?
Diniho ny lalana sy ireo didy folo navoaka fahiny nomen’ Andriamanitra Ray
Tsy misy natao tsy hahalala tsy akory fa izao re no marina
Ny minia misaina ny zavatra diso tsy saro-patarina
Ireo no atao hoe mizotra amin’ny lalana be mahafinaritra
Tsy fantany mantsy ny faran’izany fa tomany lava sy sento maharitra
Koa raha misy milaza ny zavatra diso fa tsy mba ny marina
Dia olom-boafidin’ingahy Losifera io fa saingy namboamboarina
Ref
Ry fatra –mpandiso ô diniho re ny zavatra atao
Andriamanitra ihany no mihevitra izay momba anao
Izao no tsarovy sy ataovy ao an-doha, fa ts’isy ny lanitra iray faharoa
Ry fatra-pandà ô tsinjovy ny fanahinao
Ny heloka vita ifony ary koa ibebao
Izao no tsarovy sy ataovy ao an-doha, f’izay no tadiavin’ny Tompo Jesoa
Ny zava-drehetra dia nisy namorina matoa vanona
Tsy lavina izany fa marina loatra ka tsisy hokianina
Jereo ny tanety ny rano ao an’ony sy ireo tendrombohitra
Fa misy tsy nisy mpanao hono ireny hoy ny vava sy tenin’ny fatra-mpanohitra
Koa raha misy mpitory izay tsy mba milaza ny zavatra marina
Dia sari-bakolin’i belzaboba io fa saingy namboamboarina
Ref:
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Laurent RAKOTOMAMONJYVangy : 4008
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Lek
Daty : 10/01/2007 09:56