MISY MAHITA (Laurent RAKOTOMAMONJY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zao fitenena izao refa tena zohina toa marina ihany
Mivavaka rehefa alahady kanefa mangalatra akoho alatsinainy
Ka jereo tokoa nge ry anona mitonona ho kristianina
Fa manao ny ataony rahefa tsy ao am-piangonana
Tazana miery mitoto madihy @boatyy Rakjoto maditra
Nefa vao omalin’ny omaly no nitoriteny tambony pilpitra
Te-hanan-karena hono mantsy ka mirona mankany @sampy
Fa Jesoa tsy hanome volabe @quinté

Misy mahita ny zavatra nataonareo e
Misy mahita ary tena mahita ny zava-niseho
Tratra ianareo f’aza be famaliana
Rehefa mba diso ny tena dia mangina
Ka tsy mamerina intsony aoriana
(ary aza)
aza ny lohasaha mangina tsy misy mitoetra
no eritreretina hanaovana izay fahotana rehetra
misy mahita ao an-tampon’ny loha
‘lay Andriamanitra Tsitoha
mahita ny tena, ny saina, fanahy ary fo

Ts’ireo dahalo sy mpangalatr’omby ihany akory no tena tsy laitra
Na ‘zay ataon’ireo mpngari-paosy eny an-tsena no tena mafaitra
Fa ny toetran’adala iaianan’ireo mahalala
Kanefa minia mankahala no tena mandratra ny fo
Saino @saina tsy miangatra hoe kristiana manao afera
Olom-boafidin’ny Tompo kanefa ny tena efa mila hianjera
Efa ho fatin’ny toaka, fa diso misotro be loatra
Dia mihevitra fa toa tsy hisy hahafantatra

Misy mahita…
--------
Rohy:
Hevitra
Vivien ( 22/08/2015 06:02)
Misy nahita

Zao fitenena izao refa tena zohina toa marina ihany
Mivavaka rehefa alahady kanefa mangalatra akoho alatsinainy
Ka jereo tokoa nge ry anona, mitonona ho kristianina
Fa manao ny ataony rahefa tsy ao am-piangonana

Tazana ange Ry Toto mandihy amin’ny doanin-Rakoto maditra
Nefa vao omalin’ny omaly no nitoriteny tambony pilopitra
Te-hanan-karena hono mantsy ,ka mirona mankany amin’ny sampy
Fa Jesoa tsy hanome volabe amin’ny quinté

Misy mahita ny zavatra nataonareo e
Misy mahita ary tena mahita ny zava-niseho
Tratra ianareo f’aza be famaliana
Rehefa mba diso ny tena dia mangina
Ka tsy mamerina intsony aoriana

aza ny lohasaha mangina tsy misy mitoetra
no eritreretina hanaovana izay fahotana rehetra
misy mahita ao an-tampon’ny loha
D ‘lay Andriamanitra Tsitoha
mahita ny tena, ny saina, fanahy ary fo

Tsy ireo dahalo sy mpangalatr’omby ihany akory no tena tsy laitra
Na izay ataon’ireo mpangari-paosy eny an-tsena no tena mafaitra
Fa ny toetran’adala , hiaianan’ireo mahalala
Kanefa minia mankahantra no tena mandratra ny fo

Saino amin’ny saina tsy miangatra hoe kristiana manao afera
Olom-boafidin’ny Tompo kanefa mivena efa mila hianjera
Efa ho fatin’ny toaka, fa diso misotro be loatra
Dia mihevitra fatratra tsy hisy hahafantatra

Misy mahita ny zavatra fanaonareo e
Misy mahita ary tena mahita ny zava-niseho
Tratra ianareo f’aza be famaliana
Rehefa mba diso ny tena dia mangina
Ka tsy mamerina intsony aoriana

(ary aza) aza ny lohasaha mangina tsy misy mitoetra
no eritreretina hanaovana izay fahotana rehetra
misy mahita ao an-tampon’ny loha
D ‘lay Andriamanitra Tsitoha
mahita ny tena, ny saina, fanahy ary fo

Misy mahita…

Laurent Rakotomamonjy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Laurent RAKOTOMAMONJY
Vangy : 4993
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : sarobidy
Daty : 08/11/2007 15:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0767