Propagandy (Laurent RAKOTOMAMONJY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(ft GrAS)

1 - Rehefa tonga ny propagandy, maresaka eran'ny tanàna
Amin'io fotoana io ihany koa no fotoana iasàn'ny satana
Manao izay ho afany avokoa ireo mpirotsaka
Ka manaraka anjambany fotsiny ny vahoaka satria efa trotraka

Trotrakin'ny fahantrana sy amin' ireo adin-tsaina
Ka tonga ireo mpirotsaka manolotra izay kely ilaina
Tsy nohon'ny fitiavana ireo madinika fa noho ny fitiavan-tena
Nohon'ny fitiavan-tseza, nohon'ny fitiavan-karena

Ref:

F'izahay dia milaza aminao
Ka amparitao amin'izao tontolo
Fa Jeso Kristy irery ihany
No hany mpitondra mahefa eto antany
Koa tandremo e! Tsy ho voafitaka ianao
Jeso Kristy no fidio ho Tompo mpitondra ny fiainanao
Ka ireo fomba ratsy hario, fa angataho aminy izay irinao
Koa tandrefana e! Tsy ho voafitaka ianao.


2 - Maro dia maro tokoa ireo teny fampanantenana
Teny fanomezantoky iadiana amin'ny fahantrana
Nefa tsy izay no miseho rehefa tonga amin'ilay fitondrana
Fa nenina sisa no hita, satria diso ilay safidintsika

Ireo teny fampanantenana dia tsy notazominy fa nolaviny
Rariny izany satria efa azony izay notadiaviny
Tsy misy tantetaka akory ireo teny fampanantenana
Ireo mpitondra olombelona ihany ka tsy mahatohitra an'ilay satana


Ref:
...

3 - Izy no Tompon'ny tompo, Izy no Mpanjakan'ny mpanjaka
Izy no to Tompon'ny fahefana
Izy no Tompon'ny fahagagana
Izy dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay
Izy dia nanolotra ny ainy ho faty ho anao tsy ho ahy

Izy no Andriamanitra velona, mahare sy mamaly vavaka
Izy no miaro antsika tsy hitsingidina andavaka
Ny zanako sy ny asan'ny tanako hoy ny Tompo dia aoka ho adidiko ihany
Koa manaraha ny safidinay fa tsy hanenina ianao amin'izany


Ref: ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Laurent RAKOTOMAMONJY
Vangy : 189
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : AlphaTokiniaina
Daty : 12/10/2023 06:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0717