Lasalasa ambiroa (Lalatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lasalasa ambiroa,mitazana azy roa
Ravom-pitiavana,feno hasambarana
Tsaroako ny taloha,tsaroako isika roa
Nikasa hiara-dia,nikasa ho doria

Injay feom-baliha,toa manakora...
Injay fitia,manainga moramora

Iray sento aminao, ny fiainam-baovao
Io nofy mielina, sary miserana
Io feon-kira iray, ventsoinao fahizay
Mamohafoha tsiahy,mamelombelona ahy...

Injay feom-baliha,toa manakora...
Injay fitia,manainga moramora
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/lalatiana/lasalasa-ambiroa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lalatiana
Vangy : 11725
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : oni
Daty : 14/12/2001 19:04
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.052