Ho devoly sady anjely (Lalatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Any am-paradisa, any ihany sisa,
No tsy ahafahany hitanisa…
Rehefa any ambony, any ihany ny fony
Vao mba afaka hitony…

Fa ny fitiavany anao
Mbola ao am-pony ao fa…
Reraka ny ainy, mamo ny sainy
Rehefa manoroka anao!

Indraindray toa adala
Mitady anao “malala”,
Nefa avy eo te hiala,
Te ho lehibe, te ho zazakely
Ho devoly sady anjely!

Ny voahary manontolo
Tiany hiova volo… ka
Izay tianareo no ho lokony eo
Rehefa faly na mitoreo
Ny andro maraina, tiany hatao hariva
Ny avo ho lasa iva…


Tonony sy feony : Lova Rajaofara
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/lalatiana/ho-devoly-sady-anjely
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lalatiana
Vangy : 2420
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 26/08/2014 17:24
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.057