JESO FITIA (Ktzat)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry Raiko o tarihonao aho,
Tsy ho very na ro reraka
Tantano re ity mpanomponao
Na inona hisakana

Fa Ianao ilay namorona,
Ary nisolo voina ahy
Raha eo anilanao miorina,
Tsy misy zava-mampanahy

REF :
Ry Jeso Fitia, nitantana ny dia
Vonona aho ny hanaraka Anao

Izaho ilay tsy mba nanaraka
Ny didy sy ny sitrakao
Ankehitriny aho, resy lahatra
Satria mbola hiantrànao

REF : Ry Jeso Fitia...

IANAO ILAY VARIANA SY NANIA
FOTOANA IFONANAO ANIO
MIBITSIKA AMINAO 'LAY TOMPO TIA
JESO FITIAVANA... ITAFIO.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ktzat
Vangy : 318
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : toukrth
Daty : 10/09/2023 14:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1125