You are here: home > Tononkira > Ktzat

MAHATSARA AHY (Ktzat)

Andriamanitra Ray zay be fitia
Nanavotra ahy fony aho nania
Ianao mantsy Ray tsy mba nanary ahy
Fa mamindra fo
Ny toky izay nomenao ahy
Maneho tokoa fa ny fitiavanao
Tsy manavaka na mifidy aleha
Fa mamindra fo

Fiv :
Eo anilanao ray : MAHATSARA AHY
Tiako itoerana mandrakaizay
Hasambarana hatrany (ouh...)
Fifaliana tsy lany (ouh...)
Mamiratra foa...na
Lavitry ny adin-tsaina maro
Toerana tsy manan-takaltononkira.serasera.orgo
Ao Ianao no miaro (ouh...)
Am'ireo fahavalo (ouh...)
Fiadanana foa...na

Izaho matoky manana Anao
Ny fiainako ety tantananao
'Reo zava-mahory dia levoninao
Afa-tahotra aho
Raha ny sitrakao sy didinao
No tanterakay, dia ho azonay
'Lay fiainana mamy nomaninao
Ho fonenanay

Fiv : ...

Hafaliana..... (ha-fa-lia-na...)
Hafaliana..... (ha-fa-lia-na...)
Hafaliana..... (ha-fa-lia-na...)
Eo anilanao Ray....
Eo anilanao Ray !

Fiv :...

Mpihira : Ktzat
Mpamaky : 1424
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : toukrth
Tamin'ny : 12/06/2015 11:28:21
ID : 7549

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo