RY RAIKO O! (Jobily Weber)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry Raiko o, misaotra anao izahay
ianao mandidy, izahay tsy mifidy
ny andro maminay, mitsingerina izao
fa mbola nomenao tombon’andro izahay
fa tsaroanay eto ireto adidy
Ry Ray fahasoavana mitahy anay
mba hahazoanay hery hiantsonay ny anaranao
ary koa ireo fianakaviana
arahaba soa arahaba tsara
fa mandresy soa aman-tsara

Mbola ho avy ilay mazava
izay mitondra hery vao sy hazavana be
mbola ho tonga ilay mazava
Ray o, omeo hery izahay hisy hazavana be

Ry Ray o, mba tazano izahay
ianao izay mijery mankalaza izao rehetra izao
na mangidy, na mitomany
zava-dehibe ilay tombon’andro azonay isan’andro
hira ho anao manjaka amin’izao tontolo izao
mbola ho avy ilay mazava
Ry Raiko o, misaotra anao izahay, ianao mandidy
izahay tsy mifidy, mandrakizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jobily Weber
Vangy : 3148
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 02/01/2006 00:49
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0338