NOTIAVINAO (ISAAC DE PAUL)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Navadikao ,  ny pejin'ny tantarako
Navalonao tanteraka ireo lasako
Tao anaty fijaliana,  tsy nisy fifaliana
Torovan'ity fiainana ity

Dia tonga ianao,  noraisinao ny tanako
Izaho efa tao anatin'ny famoizam-po
Nosakambininao aho,  ho eo anilanao aho
Dia nofafanao ireo ranomasoko

      #Ref :
          Notiavinao aho Tompo ô!
          Satria Tinao aho Tompo ô!
          Tsy fantatro ny antony
          Izaho notoloranao fitia
       Tsy toy izao aho anio
       Raha tsy notiaviNao


Natombokao,  tantaram-piainana vaovao
Dia nokosehinao , ireo omalin'ny talaho
Toa nofinofy sisa,  ireo lasa tsy voaisa
Niaretako,  ireo fahorim-panahy

Nivadika , tanteraka ny fiainako
Satria ianao no lasa fitarainako
IZAHO ILAY NIADY IRERY
TOA TSY NISY TE HIJERY
NANJARY NANAN-KIANTEHERANA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : ISAAC DE PAUL
Hits : 316
Likes : 0 Like
Created by : Liantsoa12
Date : 21/01/2024 17:43
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1114